Tontosaina ao Toamasina mandritra ny hateloana hifarana amin'ity alakamisy ity ny atrikasa fampahafantaran’ny "Justice et Paix" eny anivon'ny fiangonana katolika ao Toamasina ny tontolon'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany sy ny momba ny fahaiza-mitantana ary ny tamberin'andraikitra.
Tanjona ny hisian'ny fitantanana amin'ny fomba mangarahara ny vola azo avy amin'ny fitrandrahana misy sy ny mba hitondran'izany tombontsoa ara-tsosialy sy ekonomika amin'ny vahoaka Malagasy. Tompon'antoka amin'izao ny tetikasa Taratra Toamasina mijoro eo anivon'ny diosezy hatramin'ny volana jona 2013, tarihan'ny Arseveka. Manao tantsoroka azy kosa ny CRS sy ny «Développement et Paix". Aorian'izao, dia samy hitondra fampahafantarana ny azony nandritra ny atrikasa, eny anivon'ireo fiangonana niaingany avy ireo mpizaika 16 mianadahy. Ho an'ny tetikasa Taratra moa, mialoha izao araka ny voalazan'Atoa Ravelonandro Donatien Xavier, mpandrindra, dia efa nisy ny fampahafantarana ny asan'izy ireo tamin-dry zareo eny anivon'ny orinasam-pitrandrahana harena ankibon'ny tany ao an-toerana sy nampahafantatra koa ny fisiany tamin'ireo manampahefana tao an-toerana. Voaresak'izy ireo hatrany amin'ireny dinika ireny ny fitaterana ny zava-misy iainan'ny vahoaka sy ny tombontsoa tokony hositrahin'izy ireo.
Fanja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.