Olona 2 mianaka no miady amin'ny fahafatesana ao amin'ny Hopitaly Be Toamasina vokatry ny fihinanana atiny sy lohan'atsantsa. Ny talata hariva izy ireo no nihinana io trondro io tany Antaratasy amin’ny lalam-pirenena faha-5. Mpanarato no nahazo azy. Ireo nihinana nofony tsy naninona fa izy mianaka nihinana lohany sy atiny no voa mafy. Tsy mbola mahatsiaro tena izy ireo hatramin'ny omaly alarobia. Marihina fa ny talata 11 febroary tamin’ny 8 ora alina izy ireo no nihinana ilay atsantsa. Tamin’ny 11 ora alina mahery no nanomboka ny aretina. Antaratasy dia Fokontany ao anatin'ny Kaominina Mahavelona Foulpointe.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.