Masoivoho Indiana

> Roa andro hampahalalany ny tsara ho fantatra rehetra


  • Alakamisy 13 Febroary 2014

Firenena mifamatotra ara-tantara amin’i Madagasikara i Inde. Efa 200 taona tokoa mantsy no nisy ny fifandraisana teo amin’ny firenena roa tonta raha tamin’ny taona 1954 kosa no nanangana ny Consulat Général teto amintsika izy ireo.

Tsy mahagaga mihitsy ny fisian’ny teratany karana miorim-ponenana eto amintsika. Anisan’ny firenena matanjaka ara-toekarena i Inde amin’izao fotoana ary miezaka manitatra ny fiaraha-miasany amin’izao tontolo izao, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Ny zoma sy sabotsy izao dia hisokatra midanadana amin’ny daholobe ny Hotel Ibis Ankorondrano hampahafantarana ny kolontsaina indiana, ny lafiny ara-toekarana sy fifandraisana, ny fahasalamana ary teknôlôjia vaovao izay sehatra tena mampiroborobo azy fatratra ankehitriny. Asaina manokana koa ireo mpianatra sy mpiasa ary mpandraharaha. Marihina fa manome vatsim-pianarana 90 isan-taona ny Indiana ka misy ny ho an’ny mpianatra fa ao koa ny ho an’ny am-perinasa, hoy i Nivotiana Andrianarijaona, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny masoivohon’i Inde.  Maro ny orinasa indiana vonona hanohana ny mpandraharaha Malagasy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa. Ao anatin’izany ny fanamboarana piesy na fiara.

 

Yves

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT