Tanambao Besonjo

> Lasa kartie fieren’ireo jiolahy ao Tôlagnaro


  • Alakamisy 13 Febroary 2014

Nisesisesy ny vaky trano sy ny asa fandrobana ary ny fandratrana miharo vono olona tao Tôlagnaro renivohitra Anosy tato ho ato, toy ny niseho tao Esokaka Andakoroa sy tao Ambinanikely ary ny tao Tanambao.

Toy izany koa ny fidirana amboletra tokotanin’olona vao maraina maneno akoho. Misy koa andian’olona mitoratoraka trano tsotra izao amin’ny mamaton’alina. Hararaotin’ireo olon-dratsy ny tsy fisian’ny fahazavana amin’ireo andrinjiro. Mivezivezy amin’ny alina manao ny asany ireo mpitandro ny filaminana saingy toa manao fangala-piery amin’ireo jiolahy. Na izany aza dia misy ihany ireo andian-jatovo mivezivezy amin’ny alina nefa tsy mitondra kara-panondrom-pirenena ka notazonin’ny mpitandro ny filaminana. Niainga tamin’ireo ny fanadihadiana ka tamin’izay no nahafantarana fa amin’ireo toerana manodidina an’i Tanambao Besonjo no mitoby ireo olon-dratsy. Nambaran’ireo olona efa lasibatry ny fanafihana fa amin’ity kartie iray ity hatrany ireo jiolahy no mandositra rehefa raikitra ny fifanenjehana.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT