Accčs Banque Andavamamba

> Lasan’ny jiolahy ny 30 tapitrisa Ariary tao anaty gony saika harotsaka


  • Alakamisy 13 Febroary 2014

Mpanjifa am-polony miampy ireo mpiasa mpandray vola tao amin’ny rihana voalohan’ny Accčs Banque Andavamamba no notafihan’ireo jiolahy miisa 4 nitondra scooter miseho tava omaly alarobia 12 febroary 2014 maraina nanodidina ny tamin’ny 8 ora mahery teo.

Sady nandrahona ireto olon-dratsy ireto no namahana basy poleta araka ny fitantaran’ireo niharan’ny fanafihana. Raha ny vaovao voaangona teny an-toerana dia olona handrotsaka vola ny maro an’isa tamin’io fotoana io. Efa voaomana ihany koa ilay izy. Efa nisy olona narahin’ireto jiolahy ireto nitondra bolongam-bola tamin’ny gony saika harotsaka tao izay notadiavin’izy ireo avy hatrany ankoatra ireo mari-bola izay tsy fantatra mazava norobaina tamin’ireo mpandray vola miisa telo na efatra niasa nandritra ity fanafihana tselatra ity izay latsaky ny 10 minitra ny faharetany. Ny angom-baovao azo tamin’ireo voaroba moa no nahafantarana fa tsy latsaky ny 30 tapitrisa Ariary mahery no vola azon’ireto olon-dratsy ireto tao anaty gony ankoatra ireo vola sy finday azon’izy ireo tamin’ireo mpanjifa saika handrotsa-bola. Tsy nahazoana fanampim-baovao kosa ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity banky ity. Resaka nandeha teny an-toerana omaly no nahafantarana fa ny iray tamin’ireo voaroba no efa lasibatra teny amin’ny manodidina an’Andavamamba tamin’ny taona 2009 izay namoizana aina olona iray niampy vola 20 tapitrisa Ariary. Tsy mbola nisy vokany moa ny tohin’ny fanadihadiana ity raharaha ity, hoy ny fanampim-panazavana azo. Andrasana moa ny tena vaovao ofisialy avy amin’ny mpitandro filaminana nanao ny fidinana ifotony omaly.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT