• Alakamisy 27 Martsa 2014
Actualités.Ifanihy 30 taona nampitana «vazo miteny»

30 taona nihanoka tao anatin'ny hira manana ny maha izy azy i Ifanihy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 27 Martsa 2014
Actualités.Jiolahy mpanao fonoka Sarona niaraka tamin’ny entana halatra maro

Saron’ny Zandary tao Betafo ny andian-jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Malaza ho mpanao fonoka izy ireo, satria na ao an-trano aza ny tompon-trano dia tsy misy mahare ny halatra ataony na batainy hatramin’ny kidoro atoriana aza.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 27 Martsa 2014
Actualités.Teatra malagasy Somary ankilabao

Homarihina anio alakamisy 27 martsa ny andro eran-tany momba ny teatra. Mandalo fotoan-tsarotra ny teatra Malagasy noho ny tsy fisian’ny trano tena fampisehoana teatra.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 27 Martsa 2014
Actualités.Volamena tratra eny amin’ny seranana Lasa aiza avokoa ?

Nisesisesy nandritra ny tetezamita, ary natetika hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, ny fahatrarana volamena saika haondrana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Amina kilao maromaro mihitsy no efa tratra ary ana miliara no vidiny.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Martsa 2014
Actualités.Andohanimandroseza Taxibe 164 nandratra olona 14

Fiara minibus Mazda iray Zotra 164 mampitohy an’Ambohipo amin’Analakely no tojo olana teknika teo amin’ny fidinambe eny Andohanimandroseza iny omaly tolakandro, ka tsy tana fa namantana tamin’ireo trano hazo sy mpivarotra amoron-dalana sady nifaoka olona tety ivelany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 26 Martsa 2014
Actualités.AFT Andavamamba Mampiantrano ny fifaninanana sary pika

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 24 martsa 2014 teo ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny fampisehoana sy fanentanana ny olon-drehetra hitsidika sy hisafidy amin’ireo sary pika miisa 35 voatsongan’ireo mpitsara avy eto Antananarivo tafiditra ao anatin’ilay fifaninanana «BMOI Amie des Arts». Manana hatramin’ny sabotsy 05 aprily 2014 ireo mpankafy ny zavakanto hanome ny valin’ny safidin’izy ireo.

Hamaky ny tohiny
FTT