Fiara minibus Mazda iray Zotra 164 mampitohy an’Ambohipo amin’Analakely no tojo olana teknika teo amin’ny fidinambe eny Andohanimandroseza iny omaly tolakandro, ka tsy tana fa namantana tamin’ireo trano hazo sy mpivarotra amoron-dalana sady nifaoka olona tety ivelany.
14 no naratra vokatr’ity loza ity, ka nentina teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, nisy mpivarokena tena voa mafy. Voalaza fa tapaka “demi-arbre” teny am-pandehanana ilay taksibe, ka izay no nitarika ny loza.Namantana tamin’ireo trano hazo sy mpivarotra amoron-dalana ilay taksibe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.