Actualités

Volamena tratra eny amin’ny seranana Lasa aiza avokoa ?


  • Alakamisy 27 Martsa 2014

Nisesisesy nandritra ny tetezamita, ary natetika hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, ny fahatrarana volamena saika haondrana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Amina kilao maromaro mihitsy no efa tratra ary ana miliara no vidiny.

 Fanontaniana mipetraka kosa eto ny hoe mba misy mahalala ve hoe lasa aiza izy ireny, fa toa mijanona amin’ny filazana fa nisy volamena tratra indray dia izay ? Tehirizana aiza ? Ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ve ? Efa mba nisy nanontany ihany mantsy fa tsy mbola tonga any. Hampiasaina amin’ny inona ? Hamidy ve any aoriana ? Raha eny, dia amin’iza ? Ahoana ny fomba hivarotana azy ? Mangarahara amin’ny rehetra ve ?

Betsaka ihany mantsy izay entana nambara fa tratra ka nogejaina ary nambara fa hamidy ary hatao mangarahara izay nefa toa mihena an-toerana toa fen’antitra. Toy ny mitranga amin’ireo bolabolan’andramena tany Mananara Avaratra. Efa voaisa, voageja, nefa mbola misy maka amin’ny andro antoandro tsotra izao, nefa tsy misy vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Dia ho sanatria ve ka ho toy izany koa no nanjo ireny volamena tratra ireny ?

Ahoana ny fidiran’ny vola amin’ny fanjakana ? Efa ao anaty tetibola ve ? Aiza ho aiza ny fanadihadiana fa toa tratra dia tsy heno intsony ny tohiny ? Sanatria ve dia mody atao tratra fotsiny nefa dia averina amin’ireo mpanao bizina ihany rehefa avy eo ? Tonga izao ny fotoana hahalalan’ny vahoaka Malagasy ny marina mikasika ireny harem-pirenena zary tantely afa-drakotra ireny, raha tsy tiana ho ringana sy fongana tanteraka tsy hisy holovan-taranaka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT