Actualités

AFT Andavamamba Mampiantrano ny fifaninanana sary pika


  • Alarobia 26 Martsa 2014

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 24 martsa 2014 teo ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny fampisehoana sy fanentanana ny olon-drehetra hitsidika sy hisafidy amin’ireo sary pika miisa 35 voatsongan’ireo mpitsara avy eto Antananarivo tafiditra ao anatin’ilay fifaninanana «BMOI Amie des Arts». Manana hatramin’ny sabotsy 05 aprily 2014 ireo mpankafy ny zavakanto hanome ny valin’ny safidin’izy ireo.

 Aorian’io dingana eo anivon’ny faritra io dia hiditra amin’ny fifaninanam-pirenena indray ny hetsika ka ny «Café de la Gare» Soarano no hampiantrano izany 09 hatramin’ny 18 mey 2014. Mifanindran-dalana amin’ny fampirantiana mivantana dia eo ihany koa ny fampahafantarana amin’ny alalan’ireo tranonkalan’ny Facebook sy ny masoivohon-kolontsaina frantsay ity hetsika ho fampiroboroboana ny zava-kanto amin’ny ankapobeny ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT