Actualités

Jiolahy mpanao fonoka Sarona niaraka tamin’ny entana halatra maro


  • Alakamisy 27 Martsa 2014

Saron’ny Zandary tao Betafo ny andian-jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Malaza ho mpanao fonoka izy ireo, satria na ao an-trano aza ny tompon-trano dia tsy misy mahare ny halatra ataony na batainy hatramin’ny kidoro atoriana aza.

 Tamin’ny alahady 23 martsa teo no nisamborana ny efa-dahy, araka ny fanomezam-baovao tamin’ny Fokonolona. Efa hatramin’ny volana jolay 2013 no naharay fitarainana ny Zandary sy ny Polisy saingy very momoka hatrany izany.

Takelaka fakana herinaratra amin’ny masoandro no niampanga azy ireo. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’izy ireo dia akory ny hagagana fa entana halatra avokoa no tao, toy ny moto ana mpitsabo any Mahaiza, vilany sy lovia, kidoro, fatana mandeha amin’ny gazy sy ny gazy miaraka aminy ... ary ody gasy isan-karazany. Jiolahy efatra aloha hatreto no sarona ka ny iray tompon’ny trano fanatobiana ny entana, ny iray mpitady mpividy ary ny roa anisan’ireo tena manao ny fangalarana. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT