Homarihina anio alakamisy 27 martsa ny andro eran-tany momba ny teatra. Mandalo fotoan-tsarotra ny teatra Malagasy noho ny tsy fisian’ny trano tena fampisehoana teatra.
Na izany aza tsy miraviravy tanana ny FMTM na ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy fa miezaka mamelomaso ity kolontsaina ity. Efa nisokatra tamin’ny alahady teo ny taona teatraly 2014 ho an’ny FMTM. Ny Tropy Antananarivo Teatra no nanokatra izany tao amin’ny Ste Famille Mahamasina tamin’ny fiseharany ny tantara “Ny Fireneko” nosoratan’i Dr Rasamoely lala. Amin’ny alahady izao indray dia ny Tropy Ilo no hisehatra ny “Tafiotra 47” nosoratan’i Haja Ravaloson, ao amin’ny CC Esca Antanimena.
Ireo tantara roa nanombohana ny taona teatraly ireo moa dia samy miresaka fitiavan-tanindrazana daholo. Nofidiana ireo noho ny daty manakaiky ny fanamarihana ny 29 martsa 1947. Ny “Tafiotra 47” moa dia tantara marina tena nitranga no namboarin’i Haja Ravaloson ho tantara fisehatra. Aorian’ireo dia efa miomana ny hiaka-tsehatra ny Tropy eo anivon’ny FMTM. Noho ny tsy fisian’ny trano tena fampisehoana teatra toy ny tao amin’ny Teatra Monisipaly Isotry dia misy fiovana ny endrika hanatanterahana izany toy ny “déjeuner théâtral” sy ny “Cabaret théâtral”. Misy ihany koa anefa ireo Tropy hisehatra tantara iray manontolo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.