• Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Herim-pamoretana vaovao Kapiteny mpampihorohoro vahoaka ao Amboasary Atsimo

Tsy famerenana intsony amin’ny laoniny ny fandriampahalemana no misy any amin’iny distrikan’i Tôlagnaro sy Amboasary Atsimo iny fa fampijaliana ombana fanaparam-pahefana ary famonoana olona.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Fampisakafoanana ny ankizy an-tsekoly Mitady 8,4 miliara Ariary hanohizana ny fandaharan’asa

Fanambin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny hamerina an-tsekoly zaza dimy hetsy amin’ireo dimy hetsy sy iray tapitrisa tokony hianatra raha ny tombana farany. Nisy ny fanentanana nasionaly natao hamerenana an-tsekoly indray ireny ankizy niala an-daharana na voatery niato ireny

Hamaky ny tohiny
  • Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Fikaonandoham-pirenena Ho fantatra anio hariva ny fehin-kevitra

Andrasana anio hariva ny fehin-kevitr’ilay fikaonandoham-pirenena tanterahana eny amin’ny CCI Ivato hatry ny omaly. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy azy ity ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nanindry mafy ny maha zava-dehibe ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fametrahana fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fanapariaham-pahefana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Mikorontana sahady

Manomboka misamboaravoara be indray ny raharaham-pirenena. Raikitra ny fitokonana sy fitakiana eny Ankatso, niakatra ny renivohitra ny mpianatry ny Polytech avy eny Vontovorona. Mitombo isa noho izany ny mpianatry ny ambaratonga ambony migrevy ary miha mafy ny fitakiana, niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana dia raikitra indray ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso

Hamaky ny tohiny
  • Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Evariste Ramanantsoavina Tsy mankasitraka fampidirana am-ponja mpanao gazety

Tsy mankasitraka ny fanohizana fampidirana am-ponja mpanao gazety manao ny asany toy ny tamin’ny tetezamita ny tenako, hoy ny mpanao gazety Evariste Ramananantsoavina. Fandrahonana sy fampitahorana ny mpanao gazety rehetra an-kitsirano izany ary manohintohina ny fahalalahan’ny asan’ny fanaovan-gazety tsotra izao

Hamaky ny tohiny
  • Talata 22 Jolay 2014
Actualités.Fandoavana karama Aza manao zanak’ikalahafa !

Ho azo ihany ny karama ! Izay no vetsovetson’ireo mpiasa amin’ny Kaominina maro manerana ny Nosy tsy nandray karama am-bolana maro, raha nandre ny fampanantenan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina handoa ny karama 16 volan’ny mpiasan’ny Kaominina Fianarantsoa, raha nitsidika tany an-toerana izy ny zoma 18 jolay lasa teo

Hamaky ny tohiny
FTT