• Zoma 25 Jolay 2014
Actualités.Efa vonona ny didim-panjakana momba ny satan’ny mpanohitra,

hoy ny minisitry ny atitany ary hampahafantarina ny besinimaro tsy ho ela izany. Tokony hahay hifanaraka anefa, hoy izy, ireo mpanohitra fa tsy hifandrirotra indray. Fanoherana ny fandaharanasa no tokony hatao fa tsy fanoherana olona, hoy hatrany ny minisitry ny atitany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Jolay 2014
Actualités.Fitanana am-ponja mpanao gazety Tetika hanakanana ny fanokafana ny MBS sy Fahazavana

Raharaha anisan’ny mitana ny sain’ny maro, tsy eto an-toerana ihany fa manerana izao tontolo izao, ny fitanana am-ponja ireo mpanao gazety roalahy ao amin’ny Madagascar Matin, hatramin’ny alatsinainy teo. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ireo mpisolovava dimy niaro azy ireo nandritra ny fifandaharana teo anatrehan’ny Fitsarana omaly. Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora miandry ny didim-pitsarana rahampitso zoma i Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina. Fanehoan-kevitr’olon-tsotra mikasika ny trafikana boaderôzy ka mahavoatonona anarana minisitra am-perinasa miisa telo ka navoaka an-gazety no anenjehana azy roalahy ireto ho toy ny nahavita heloka bevava ka itazonana am-ponja azy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Jolay 2014
Actualités.Administratera sivily Niampy 27 ireo am-perinasa

Administratera sivily 27 mianadahy no nanao fianianana tetsy amin’ny Fitsarana Anosy omaly mialoha ny handraisan’izy ireo asa

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Jolay 2014
Actualités.«Baobab amoureux» Velona ihany ilay «Andry sy Mialy» fa mitsipozipozy

Nankalazaina fatratra tamin’ny aprily 2012 ny fambolena reniala mifankatia na «baobab amoureux» teny amin’ny «Allée des Baobabs» ao Morondava. Ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana, Andry Rajoelina mivady rahateo moa no niara-namboly azy

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Jolay 2014
Actualités.Fampiroboroboana ny fizahantany Mila tetibola matevina

2 hetsy latsaka no isan’ny mpizahatany mitsidika an’i Madagasikara, araka ny tarehimarika farany navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 24 Jolay 2014
Actualités.Fiara niala kodiarana Olona roa namoy ny ainy, roa hafa tsy mahatsiaro tena

Izany tokoa ny hoe : “patsa iray tsy omby vava !” Avy nandray olona tao Vohidiala ity fiara fitaterana Mercedes 508 no sendra ny tsy nampoizina.

Hamaky ny tohiny
FTT