• Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Fomban-drazana Antambahoaka any Mananjary Ny Ampanjaka ihany no tompon’ny teny farany amin’ny Sambatra

Tsy lanonam-pikoranana tahaka ny “Festival de la baleine” na ny “Donia” … ny Sambatra, hoy ny AZAM (Association des Zafiraminia pour l’Avenir de Mananjary) izay nosoloin’i Tsito sy Alain Roger tena nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo teto Antananarivo. Fomban-drazana mihatra aman’aina io ka tsy tokony hanaovana fitadiavana hafahafa na “business”

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Sampana mpamonjy voina Toamasina Tsy ampy fitaovana

Sampan’asa iray eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano. Na manana andraikitra mafy sy maro aza ity sampan’asa iray ity ao Toamasina, dia miaina amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana. Ny omen’ireo mpiara-mimbona antoka ihany koa anefa tsy misy fikarakarana eo anivon’ny kaominina tompon’andraikitra. Vokatry ny fiteten’ny trano hatorian’ireo mpiasan’ny mpamonjy voina sy hain-trano amin’ny asany, dia voatery nangataka fanampiana tamin’ny minisitry ny asa vaventy amin’ny naha ben’ny tanàna azy teo aloha izy ireo, satria na fanitso mbola azon’ny kaominina vidiana hanatsarana ny fandraisana ireo mpiasa aza tsy natao

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Sekoly ambony UPRIM Hanangana oniveriste manara-penitra manaraka ny rafitra LMD

Tsy mitsaha-mivoatra ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika mba hananana tanora Malagasy sangany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiharana ny rafitra LMD izay mitaky fotodrafitrasa sy fitaovana manara-penitra. Mba hahafahana mamaly io filana io ary dia hanangana oniveriste manara-penitra ny sekoly ambony UPRIM.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Tarika GREEN Mbola tena manana ny maha izy azy

Naharitra ora telo teo ho eo ny fiarahan’ny tarika Green sy ireo mpankafy azy tetsy Antsahamanitra omaly alahady. Fahombizana no azo hamaritana ny seho. Naverin’i Jacquot sy ireo mpiara-misehatra aminy ireo hira tsy tontan’ny ela nahafantarana ny tarika Green.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Toamasina Lasa fanariam-pako eny amin’ny “Bord”

Maloto, maimbo ! Izay no azo hanambarana ny faritra maromaro eny amin’ny moron-dranomasina na ny “Bord” ao Toamasina amin’izao fotoana. Ao anatin’ny fotoana fialan-tsasatra anefa, ary tena maro be ny vahiny sy teratany misafidy ny ho any Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014
Actualités.Tovovavy sembana Naolana lehilahy roa

Niharan’ny fanolanana in-droa miantoana tato anatin’ny roa taona izao ny tovovavy manana kilema ara-batana vao 20 taona monja monina ao Ambalamahasoa, fokontany Ambinda, kaominina Soavina Ambatofinandrahana

Hamaky ny tohiny
FTT