• Alarobia 13 Aogositra 2014
Actualités.Fampihavanam-pirenena Nanome ohatra ny MFM sy ny AREMA

Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy antoko politika tsy mitovy fomba fijery ary azo ambara fa mpifanohitra mihitsy no niroso tamin’ny fihavanana dia ny MFM sy ny AREMA. Tsy ireo mpitarika ny antoko koa no nifanao dina fa ireo mpikambana ifotony. Ny zava-misy manko dia tena mbola sahirana amin’ny fampiharana izay fampihavanam-pirenena eto Madagasikara izay na ny iraisam-pirenena na ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao, hoy Manandafy Rakotonirina,

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Aogositra 2014
Actualités.FITSARANA ARA-BOLA AO TOAMASINA Voasakan’ny politikan’antokom-panjakana ny asany

Natsangana isaky ny faritany ny fitsarana ara-bolam-panjakana nandritra ny fametrahan’ny fitondran-dRavalomanana ny mangaraharaha amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, sy ny fitantanana ara-drariny ny volam-bahoaka isam-paritra, saingy ankehitriny indrindra nandritra ny tetezamita dia tsy afaka nivelatra tamin’ny asa nankinina tamin’izy ireo ireo mpitsara misahana izany. Isan’ny andraikitra ireo mpitsara ara-bolam-panjakana ireo ny fanaovana fanadihadiana (audit)

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Aogositra 2014
Actualités.Firaisana faha-4 eto an-drenivohitra Be ireo manao taratasy mitondra kopia sy kara-panondro hosoka

Lalina ihany ity fitiavana te-hanambe ity ! Mahavatra manamboatra kopia sy kara-panondrom-pirenena sandoka mihitsy ny olona ankehitriny mba hisolokiana olona amin’ny fifampiraharahana ara-barotra na ara-panjakana fotsiny tsotra izao

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Aogositra 2014
Actualités.Fihariana Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fivarotan-kena ny vehivavy

Vokatry ny krizy dia miroso mitady vola ihany koa ny andriambavilanitry ireo mpivarokena any Ambatondrazaka. Tsy mihanona fotsiny amin’ny fikirakirana ny vola hampidirin’ny lehilahy izy ireo fa miditra an-tsehatra manao ny asa rehetra momba ny fivarotan-kena

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 13 Aogositra 2014
Actualités.Ny Sinoa no tena maro mpandika lalàna amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara

Hisy manomboka izao ny « Police des Mines » izay hitety vohitra mihitsy manerana an’i Madagasikara ka hitsirika ireo izay mpitrandraka tsy ara-dalàna.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Aogositra 2014
Actualités.Amoron’i Mania Nihena ny isan’ireo mpiadina ny Bacc Teknika

Mpiadina 379 no niatrika ny andro voalohany tao Amoron’i Mania Nihena ny isan’ireo mpiadina fanadinana bacc teknika ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tamin’ity taona 2014 ity.

Hamaky ny tohiny
FTT