• Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.Iza no tena sakana ?

Fa iza marina moa no malaina amin’ny resaka fampihavanam-pirenena e ? Toa resahana be indray mantsy izy io tato ho ato izay, ny FFM anefa efa ho 3 taona nijoroana tsy hita izay zava-bitany fa nitetitety faritra sy nihaona tamina antokon’olona tsy fantatra hoe iza sy nanao inona.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.Mbola handoavam-bola ny EPP ao Toliara Bokan-trosa ireo ray aman-dreny, mameno tanàna ny mpampanjana-bola

Tsy mbola mazava tsara ny fampiharana ilay fampianarana maimaimpoana ao Toliara, raha ny zava-misy hatreto aloha dia nahitana fiakarana avokoa ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana fiantombohana, ny vidin’ny fitaovam-pianarana, lamba hanaovana aron’akanjo sy fanamiana, raha nitaha tamin’ny taon-dasa, ka mikaikaika sy miferin’aina ireo ray aman-dreny. Zaza iray farafahakeliny handaniana 150 000 ariary. Tsy hita pesimpesenina ny fandaniana ho an’ireo mampiana-jakana amin’ny sekoly tsy miankina manaraka ny rafi-pampianarana frantsay.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.Fampiroboroboana ny mozika nentin-drazana Miala any ny Jery Studio

Ho fampiroboroboana ny mozika nentin-drazana sy fampivoarana ny sehatry ny kanto eto Madagasikara dia niezaka nitady ny tsaratsara kokoa hatrany ny mpanakanto ka misokatra manomboka izao etsy Avaradoha ny Jery studio

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.FARITRA IVA ETO AN-DRENIVOHITRA Atahorana ny fiakaran’ny rano noho ny loto

Faritra iva sy mora dibo-drano ny eny Namontana, Andrefan’Ankadimbahoaka, sy ny manodidina iny

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.FIARAHA-MITANTANA NY ILES EPARSES ?

Fiaraha-mitantana no ho lamaody ? Fiaraha-mitantana no hita fa mety ? Satria ianareo tena kaody dia kaody, Raha vao manontany ny mpanao gazety ?

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Oktobra 2014
Actualités.Lalan’Antananarivo Dibo-drano tsy lera

Tsy tonga akory ny fotoam-pahavaratra dia efa misy lalana dibo-drano sahady eto an-drenivohitr’i Madagasikara ary mampitahotra sy mampitsapatsapa fiara tsy mataho-dalana ny miroboka ao anatiny.

Hamaky ny tohiny
FTT