• Zoma 10 Oktobra 2014
Actualités.Tsenan’i Mahamasina. Ramatoa voaendaka, very ny iray hetsy.

Ramatoa manodidina ny 49 taona no tratran’ny sinto-mahery tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina omaly. Raha ny fitantaran’ny niharam-boina dia ankevitry ny efa nanaraka azy efa ela ilay jiolahy saingy niandry kendritohina fotsiny dia nanao ny asa ratsiny

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 10 Oktobra 2014
Actualités.Zaza very tany Andilamena Tafody any Vakinankaratra

Tafody soa aman-tsara any Vakinankaratra amin’izao fotoana ireo zaza efatra mianadahy tsy hita tany amin’ny Distrikan’Andilamamena ny volana jolay lasa teo rehefa nanjavona nandritra ny 20 andro mahery. Nila ravinahitra tany Andilamena ireto fianakaviana ireto.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Oktobra 2014
Actualités.Taorian’ny Airmad, Jirama, Fanalamanga Hopotehana koa ny Caisse d’Epargne ?

Azo antoka fa hafana ny adihevitra eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza rehefa ho tonga eny ka hodinihana ny volavolan-dalàna momba ny tetibola 2015, satria tena tsy manam-bola ny fanjakana Malagasy. Izao vao tena misy fiantraikany ilay krizy sy fiatoan’ny famatsiambola avy any ivelany nandritra ny 5 taona, afaka niasa ny fitondrana tetezamita satria betsaka ny ambim-bava navelan’ny fitondrana Ravalomanana, ary mety nisy ihany koa ny famatsiam-bola tsy fanta-piaviana azon’ny fitondrana FAT.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Oktobra 2014
Actualités.Antanifotsy Mandialaza Moramanga Fokonolona voaroaka amin’ny tany honenany ao anaty andron’ny trano fonenana

Tao anatin’ny lanonam-panamarihana ny andro eran-tanin’ny trano honenana omaly izay notontosaina tany Moramanga no nisehoana tranga hafa mifanipaka amin’ny foto-kevitra hijoroan’ny fanamarihana tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Oktobra 2014
Actualités.Tsy mahay …

Toa lasa resa-jaza izany indraindray ilay raharaham-pirenena rehefa dinihana ny fomba firesaky ny mpitondra sy ny mpanao politika sasany. Mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra, misy ny mandainga tsotra izao, ao ireo efa tompondakan’ny famadihana lela sy palitao, misy koa ny sokajin’ireo be tsy miteny fa ataony namana daholo izay tonga eo amin’ny fitondrana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 08 Oktobra 2014
Actualités.Famatsiana herinaratra Tsy araky ny Jirama intsony

Mihoapampana ny trosan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy izay mahatratra hatrany amin’ny 130 miliara ariary mahery ankehitriny, araka ny tsiliantsofina mandeha. Tsy mety mamatsy solika intsony ireo orinasa mpaninjara noho io antony goavana io. Ireo komandy voaloa vola sisa no mahazo famatsian-tsolika, hoy kosa ny fanampim-panazavana nomen’ny

Hamaky ny tohiny
FTT