- Zoma 24 Oktobra 2014
Actualités.DELESTAZY AO MAHAJANGA Tsy hisy intsony amin’ny volana novambra izao
Eo am-panamboarana ireo milina manome herinaratra ny orinasa Jirama ao Mahajanga mba ialana amin’ny delestazy lavareny ao an-toerana. Misedra olana tanteraka ny orinasa Jirama eo amin’ ny famatsiana solika satria dia miandry ny sonian’ny taratasim-bola avy amin’ ny fanjakana foibe vao afaka mividy solika ireo tompon’andraikitra. Mitady ny vahaolana ireo mpitantana ao amin’ny orinasa Jirama ao Mahajanga ialana io delestazy ao an-toerana ka ny firosoana amin’ny fanamboarana ireo milina simba no natao mialoha miampy ny fiandrasana ireo solika avy amin’ny fanjakana
Hamaky ny tohiny