• Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Dokotera maty Novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana

Tsy mbola miova fo ny dahalo any amin’ny distrikan’ Ambovombe Androy, fa vao mainka masiaka amin’izao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia mpitsabo iray nandeha moto no maty tsy tra-drano novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana teny an-dalana, ny fiandohan’ity herinandro ity, tao Ampamata, kaominina Antanimora Atsimo. Noho ny firongatry ny asan-dahalo indray tato ho ato mahazo laka amina kaominina maromaro any amin’ny distrikan’ Ambovombe Androy, indrindra ny manamorona ny RN13, dia miaina ao anaty horohoro tanteraka ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Famoronan’asa eto Madagasikara Ny finiavana no tsy ampy ho an’ny Tanora

Ny finiavana no tsy ampy ho an’ny tanora Malagasy raha hamorona asa. Anisan’ny politika sy fanamby voizin’ny fanjakana hatramin’izay anefa ny famoronana asa ho an’ny sehatra samihafa

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Jean-Marc Koumba Nodian’ny Praiminisitra fanina

Voaresaka nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra sy ny parlemanta teny Tsimbazaza ny talata teo ny raharaha Jean-Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM) ao Antsirabe miisa efa-dahy, voatana am-ponja vonjimaika any Antsiranana efa ho iray volana izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Mpiasan’ny Kominina Toamasina I Mitokona fa tsy nahazo karama

Nanomboka omaly maraina ary tsy fantatra hatramin’ny oviana, ny fitokonan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominin’i Toamasina ambonivohitra noho resaka tsy fahazoana karaman’ny mpiasa volana oktobra.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Masoivoho alemana Nanampy ara-pitaovana ny fonja

Nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny fikambanana «Namako» teny amin’ny trano fonenany «Villa Berlin», ny ambasadaoro Harald Gehrig

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 20 Novambra 2014
Actualités.Krizin-drano any Amboasary Atsimo 800 Ar ny iray « seau »

Noho ny hain-tany ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro dia ritra tanteraka ireo loharano sy ny ankamaroan’ny renirano any amin’ny tapany atsimon’ny nosy iny, amin’izao. Raha ho any distrikan’ Amboasary Atsimo manonkana, tsy misy rano intsony (ritra sy maina) ny reniranon’i Mandrare, ary tafakatra 800 ariary ankehitriny ny iray siny (seau) amin’ny rano manana fatra 12 litatra any amin’ny kaominina Sampona atsimon’ny tanànan’ Amboasary Atsimo. Mandeha an-kilometatra maromaro ny vantan-dehilahy matanjaka vao mahita rano, izay mbola vidin-dafo ihany koa avy eo.

Hamaky ny tohiny
FTT