• Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.ANKAZOABO ATSIMO Raikitra ny fifampitifirana, dahalo 4 matin’ny zandary

Naharitra adiny roa ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo 15 lahy avy nanafika sy nangalatra omby tao amin’ny tanànan’ Ankilivalokely any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo sy ny mpitandro filaminana, afak’omaly tolakandro.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.MAHAMASINA Mpivarotra 80 no nesorin’ny kaominina

“Ny ao an-dovia tsy lany ny any am-bilany takarina”. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Raha ny hita mantsy omaly alakamisy nandritra ny tsena dia nisy indray ny fanalana ireo mpivarotra eo anoloan’ny tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena Mahamasina

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.FARITRA AMORON’I MANIA Manjaka ny asan-dahalo

Malaza ho misy dahalo niova fo any amin’ny faritra atsimo any, tsy mbola nisy dahalo nilavo lefona mihitsy ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Manomboka miha masiaka aza izy ireo satria tsy vitan’ny mangalatra omby fotsiny na mamaky trano sy mandroba fa mamono olona mihitsy

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.Delestazy eny Vinany-Loharanombato « Efa tena tsy rariny intsony », hoy ny mponina

Tsy fantatra intsony izay tena marina fa na ririnina na fahavaratra na main-tany na avy orana dia tapaka isan’andro tsy misy fanazavana na fampandrenesana ny herinaratra amin’ny aritra maro eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Anisan’ny tena mitondra faisana amin’izany ny faritra Ampitatafika-Vinany ary Itaosy

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.Very ny harena

Tafahoatra loatra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ary ny vahiny no tena mahazo tombontsoa amin’izany, hoy ny fanambaran’ny fiombonamben’ireo Eveka eto Madagasikara izay nivory tamin’ity volana novambra ity

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 21 Novambra 2014
Actualités.Fampianarana sy fanabeazana any Alaotra Mangoro Tsy mahavaha olana ny talem-paritra

Tandindomin-doza ny tontolon’ny fanabeazana any Alaotra. Toa tsy rototra amin’izany ny talem-paritra vaovao fa manilika ny andraikitra any amin’ny ambaratonga-drafitra. Sekoly roa no nambara taminy fa misy mitetika hanafoana noho ny ady tany dia ny any Ambendrana Andilamena sy ny ao Vohitravo Zap Ampitatsimo, ito farany izay efa nikatona mihitsy.

Hamaky ny tohiny
FTT