• Zoma 16 Janoary 2015
Actualités.Governemanta vaovao Hahazo minisitera 4 ny ankolafy Ravalomanana ?

Tsy ho ela fa amin’ity herinandro ity ihany (mety ho anio na rahampitso) no hitsangana ny governemanta Jean Ravelonarivo. Re fa efa manana lisitra ahitana anarana olona 2 na 3 isaky ny minisitera ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika saingy mbola eo am-pandinihana tsara izay hatao minisitra ny filoha sy ireo mpanolotsaina azy. Re araka ny

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Janoary 2015
Actualités.Fakan’ny karana sy ny sinoa ny tanin’ny gasy Miantso ny fokontany sy ny fokonolona tsy hanaiky intsony i James Ratsimba

Hatramin’ny nisian’ny propagandy tamin’ny fifidianana farany teto amin’ny tany sy ny firenena dia tsy nitsaha-nitombo, hoy i James Ratsimba, ireo tanin’ny Malagasy lasan’ireo teratany vahiny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Janoary 2015
Actualités.Tovovavy malagasy maty tany Paris Olona iray no voasambotra

Efa misy ny olona ahiana ho namono nahafaty ilay tovovavy teratany Malagasy vao 19 taona monja tany Paris ny alakamisy maraina lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika io olona io

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Janoary 2015
Actualités.Tovolahy niresaka tamin’ny sipany Notsindronim-badiny ny antsy

Mpivady tanora mbola erotrerony vao vita mariazy tapa-bolana lasa izay no niady nigagan’olona tsy nahalala

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Janoary 2015
Actualités.Etazonia sy Kanada Miverina miara-miasa amin’i Madagasikara

Nanatitra ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’i Etazonia eto amintsika teny amin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly Atoa Robert T Yamate. Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Etazonia, ny Agoa, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny maha zava-dehibe ny fampihavanam-pirenena sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana. Ireo moa no fepetra apetraky ny fanjakana Amerikanina ho

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Janoary 2015
Actualités.MIJOJO NY ORANA AO TOLIARA Dibo-drano ny tanàna, miparitaka ny loto, ahiana ny kolera

Tao anatin’ny telo andro nijojo be ny rotsak’orana any Toliara. Fokontany maro no dibo-drano tanteraka ankehitriny ary ahiana ho vaky indray ny fefiloha Fiherena. Tokantrano maro sy olona an’arivony sahady no traboina. Hatreny am-pandriana ny rano amin’ireo toerana iva, indrindra amin’ireo faritra iva manamorona ny ranomasina sy renirano. Tsy manainga zipo intsony fa hatreny am-balahana ny rano amin’ny arabe amin’ny fokontany sasany, toy ny hita ao Tsimenatse Ouest I, Mahavatse . . .

Hamaky ny tohiny
FTT