• Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Famonoana an’i Ludovic tany Taolagnaro Nibaboka ny lehiben’ny zandary

Noho ny namonoan'ny zandary an'i Ludovic dia hisy ny hetsika goavana ataon’ireo Hery Velona ao Tolagnaro ho fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny noho ny tsy rariny tamin’ny famonoana feno habibiana natao an’i Ludovic. Mafampana ny toe-draharaha any an-toerana amin’izao fa atahorana ny hisian’ny fifanjevoana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.La Réunion kely” Mahaforona fitaovam-piasana ihany koa

Tsy rehefa sahirana dia miraviravy tanana ireo mponina etsy “La Réunion kely”. Ankoatra ny fivarotana entana tonta fanaon’ny ankamaroan’ireo mponina eny dia misy mahavita mamorona fitaovana tsotra hoenti-miasa tahaka an’Atoa Rakotomanana Robinson Jeannot izay nahavita nahaforona ny sarety-bisikileta

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Fitsaboana maso MERCY SHIPS Olona 1000 no voakarakara

Anio no mifarana ny dia ataon’ny avy ao anivon’ny sambo MERCY SHIPS etsy amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Anosy. Tsiahivina fa ny fitsaboana maso no nifantohan’izy ireo nandritra izay telo andro nisesy izay. Raha ny nambaran’ny dokotera mpandidy maso avy any Togo Dr Wodome Abraham miasa eo anivon’ny sambo M.S dia olona miisa arivo no ezahin’izy ireo hotsaboina maso katarakta mandritra ny fitetezam-paritra izay ho atao

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Halatra Moto Olona roa voarohirohy

Olona roa no fantatra fa niakatra fampanoavana noho ny resaka halatra moto izay malaza eto Antsirabe amin’izao fotoana.Teny amin’ny fokontany Ambohimahazo teny no nisamborana ireto olona roa ireto raha ny fanazavana nomen’ny polisim-pirenena ka ny irey dia voalaza fa nametrahana ireo Moto roa fotsiny sy nitady ny mpividy ary ny iray hafa dia nametraka ilay Moto fotsiny ihany.Nambaran’ireo voasambotra aloha hatreto fa tsy fantatry izy ireo ny fiavian’ilay Moto fa olona ihany koa no nametraka ireo Moto tamin’izy ireo mba hitadiavana mpividy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Imerintsiatosika Hiezaka mafy satria lasa « Commune urbaine »

Tao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 nifanaovan’ny mpikambana TIM Zanak’i Dada ao Imerintsiatosika sy ny depiote Rakotomanjato Rodin lany tao amin’ny distrikan’Arivonimamo tamin’ny alarobia teo no nilazan’ity farany ampahibemaso fa tafita ny hafatra nampitondrain’ny vahoakan’Arivonimamo azy dia ny hahatonga ity tanàna ity ho lasa Kaominina ambonivohitra

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 23 Janoary 2015
Actualités.Lalatiana Ravololomanana Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena

Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena ny vondrona mpanohitra tarihin’i Lalatiana Ravololomanana.

Hamaky ny tohiny
FTT