• Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Toetr’andro Mety ho avy ny orana anio

Hanorana harahin-kotroka ny toetr’andro anio eto an-drenivohitra, raha ny faminavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Somary hanjombona ny andro ny tapak’andro maraina fa manomboka ny tolak’andro sy ny alina no mety hirotsaka ny orana. Ahiana indray ny fiakaran’ny rano ka manamafy ny fampitandremana efa nataony ny Apipa ny amin’ny tokony hahamailo ny mponina amin’ny faritra iva sy ny manamorona ny renirano

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.4x4 nentina tovovavy tsy misy “permis” Namotika fiara 4 be izao teny Soanierana

Hatairana ny an’ny mponina manodidina an’i Soanierana ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5 maraina. Fiara Toyota 4x4 Hilux double cabine nentina tovovavy mbola tanora herotrerony no nifatratra tamina fiara efatra be izao, nijanona tamin’ny sisin-dalana teo : Golf, Peugeot 206, Peugeot 104 ary Honda.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Fampisehoan’Ambondrona Tovolahy nianjera avy eny ambony, vaky loha tsy nahatsiaro tena

Izany ny tanora rehefa mifety, tia misotrosotro dia tsy mahafehy tena ! Tovolahy iray no nianjera avy eny amin’ny rihana, toerana misy ireo mpijery nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Ambondrona tetsy amin’ny lapan’ny

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Amboteazy alahadin’Antananarivo Mahareta fa hanana ny soa

Tena hafakely raha samy andro alahady fa hotsarovan’Antananarivo an-tsaina indray ny omaly 01 martsa 2015. Noho ireo fanamboaran-dalana atao eto amin’ity renivohitra ity ankehitriny dia niseho tamin’ny faritra maro teto Iarivo ny

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Fiarahamonina Be ny olona torana an-dalana

Tamin’ny herinandro iny, tetsy amin’ny tranon-jiro 67 ha Atsimo Antetezana Afovoany, ramatoa iray sahabo ho 60 taona handeha hamonjy fahoriana eny Itaosy no nitambotsitra teny am-pandehanana, noheverina ho safotra, maty teo amin’io toerana io, rehefa tonga ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Fako – rano miandrona – delestazy Ahiana hikorontana indray i Toamasina

Manomboka miakatra ny feo ho an’ny vahoakan’i Toamasina amin’ny zavatra iainany andavanandro tato ho ato izay. Voalohany amin’izany ny loton’ny Tanàna amin’ireo fako mameno ny arabe sy tatatra rehetra ary ny tsena goavana na ireo madinika. Sady tsy misy mpiraharaha ny fako no mitondra fofona tsy laitra

Hamaky ny tohiny
FTT