Manomboka miakatra ny feo ho an’ny vahoakan’i Toamasina amin’ny zavatra iainany andavanandro tato ho ato izay. Voalohany amin’izany ny loton’ny Tanŕna amin’ireo fako mameno ny arabe sy tatatra rehetra ary ny tsena goavana na ireo madinika. Sady tsy misy mpiraharaha ny fako no mitondra fofona tsy laitra
iainana, ka mahatonga aretina maro ka anisan’ireny ny tazon’ny tefoedra, manginy fotsiny ny sery sy ny soritr’aretina “Dengue” tsikaritr’ireo mpitsabo. Faharoa izay manampy trotraka ny fisian’ny fako, ny rano miandrona noho ny fiavian’ny orana saika isan’andro tapa-bolana izao. Dibo-drano avokoa ireo faritra iva, anisan’ireny ao Andranomadio – “Cite Haras”, ny ao Mangarano, ny ao Ambalamanasy, Ambohijafy – Salazamay, ary ny ao Ambalakisoa – Morarano. Ny fahatelo izay nanomboka nahazo vahana ihany koa taorian’ny fanovana mpitantana teo anivon’ny Jirama Toamasina, ny fahatapahan-jiro izay saika isan’andro ary maharitra ny firehetana noho ny fahafatesany. Saika ny 80%-n’ny fokontany dia miaina izany avokoa tato ho ato izay, ka zary nampirongatra ny fanafihana mpivarotra mandritra ny fahatapahana. Omaly izao dia resaka sonia taratasy hahafahana maka solika avy amin’ny minisitry vola sy ny fitantanam-bola no nanapaka ny jiro tao Toamasina. Ny toe-javatra toy izao no nampisy ny sakoroka tao Toamasina farany teo, koa hahiana indray izany izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.