Tamin’ny herinandro iny, tetsy amin’ny tranon-jiro 67 ha Atsimo Antetezana Afovoany, ramatoa iray sahabo ho 60 taona handeha hamonjy fahoriana eny Itaosy no nitambotsitra teny am-pandehanana, noheverina ho safotra, maty teo amin’io toerana io, rehefa tonga ny mpamonjy voina
. Afak’omaly, tamin’ny 1 ora ora mahery kely, mbola tetsy 67 ha Atsimo hatrany, saingy tsy lavitra ny «Arrêt 30», ramatoabe iray mananika ny 60 taona no niankarapoka tamin’ny tany ka torana. Noheverin’ny olona ho mamo ity ramatoa nianjera ity dia notazanim-potsiny izay nitolefika tamina vala vy arofanina sy fisorohana ny loza amin’ny toerana fiandrasana taksibe. Mpandeha an-tongotra iray tsara sitrapo no namelombelona azy, ary nitondra azy tany amin’ny mpitsabo. Tsy fantatra mazava na noho ny hanoanana na nihetsika ny aretiny nety nitaiza azy no antony nahatonga an’ity ramatoabe ity safotra tampoka teny an-dalana. Asa na vokatry ny adin-tsaina na hanoana na aretina fa be ny olona torana an-dalna ankehitriny
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.