Actualités

Amboteazy alahadin’Antananarivo Mahareta fa hanana ny soa


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Tena hafakely raha samy andro alahady fa hotsarovan’Antananarivo an-tsaina indray ny omaly 01 martsa 2015. Noho ireo fanamboaran-dalana atao eto amin’ity renivohitra ity ankehitriny dia niseho tamin’ny faritra maro teto Iarivo ny

 

fitohanan’ny fifamoivoizana fa niasa alahady ireo mpanao izany. Ny tena nampikolay sy  nampahalava molotra ireo mpitondra fiara kosa anefa dia izay niseho teny amin’ny “Rond point” teny Anosizato. Noheverin’ny olona fa ny fisian’ny fiara vaventy nitanjozotra na avy any Anosipatrana, na avy any Anosizato andrefana na avy aty amin’ny fasan’ny karana no tena nahatonga izany. Rehefa nozohina dia voatery mihazo an’iny lalana iny ny avy any Itaosy, ny avy any 67 ha sy ny avy any Anosipatrana manontolo fa anisan’ny namboarina ny lalana tao 67 ha atsimo mihazo an’Ampasika. Mikisaka 1 metatra ny fiara dia mamono maotera antsasakadiny. Adiny iray sy sasany, tsy afaky ny fiara iray ny elanelan’ny fasan’ny karana mankamin’ny Rond point Anosizato. Etsy an-kilan’izay anefa dia mbola misy ireo fiara mitady lalam-poza, hoy ny fitenenana ka manao laharan-telo ny lalana tokony hifanenan’ny fiara ary vao mainka mampitohana fifamoivoizana. Betsaka, araka izany, ireo olona nidina ny fiara fitaterana nandehanany ka nizotra nandeha an-tongotra nihoatra io toerana io, vao nandray fiara hafa indray raha maika hamonjy fotoana na ny avy any Antanimenakely Avarabohitra izany, na ny avy any Anosipatrana, na ny avy any amin’ny fasan’ny kararana sy ny avy any Anosibe koa.  Mahareta fa hanana ny soa, hoy ny fitenin-drazantsika e !

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT