Izany ny tanora rehefa mifety, tia misotrosotro dia tsy mahafehy tena ! Tovolahy iray no nianjera avy eny amin’ny rihana, toerana misy ireo mpijery nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Ambondrona tetsy amin’ny lapan’ny
fanatanjahantena Mahamasina omaly tolakandro. Efa niditra tamin’ny fidirana faharoa ny fampisehoana ary tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany mahery dimy teo no somebiseseby tampoka ny taty amin’ny ilany an-kavanan’ny sehatra. Tokony ho 7 metatra teo no nianjeran’ilay tovolahy ary vaky bobara vetivety teo ny lohany sady tsy nahatsiaro tena minitra maromaro izy. Ireo mpitandro filaminana sivily no nitondra azy nivoaka ny efitra ary taty ivelany izy no nanomboka nahatsiaro tena fa mbola nitohy nijojo ny ra. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny mpikarakara ny fampisehoana nandefa azy teny amin’ny hopitaly. Hita fa efa nihanivonto be vetivety teo ny tetamasony havanana izay tena ivoahan’ny ra. Ankoatra io, taty anaty efitrano, dia tsy vitsy ireo mpitandro filaminana no namoaka ireo zatovo nisotro sy nifoka tao anaty efitrano, ny daroka amin’io nandeha teny ihany.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.