Hatairana ny an’ny mponina manodidina an’i Soanierana ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5 maraina. Fiara Toyota 4x4 Hilux double cabine nentina tovovavy mbola tanora herotrerony no nifatratra tamina fiara efatra be izao, nijanona tamin’ny sisin-dalana teo : Golf, Peugeot 206, Peugeot 104 ary Honda.
Potika tsy nisy noraisina iretsy roa voalohany, raha simba amin’ny ampahany ny roa farany. Roa vavy no tao anatin’ilay fiara 4x4. Tavela teo amin’ny 4e ny “vitesse”-n’ny fiara nentin’izy ireo taorian’ny loza, midika io fa nandeha mafy toa nentin-javatra izy ireo ka tsy nahafehy ny familiana rehefa nandalo ny faritra somary fiolahana mialoha ny sampanana miakatra an’ny Capsat iny. Nametraka fitoriana ny tompon’ireo fiara simba ary nilaza tsy hamela ho vita mora ny fahavoazan’izy ireo. Tsy nahitana taratasy fahazoana mitondra fiara rahateo tany amin’ilay tovovavy nitondra ilay 4x4.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.