Actualités

Toetr’andro Mety ho avy ny orana anio


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Hanorana harahin-kotroka ny toetr’andro anio eto an-drenivohitra, raha ny faminavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. Somary hanjombona ny andro ny tapak’andro maraina fa manomboka ny tolak’andro sy ny alina no mety hirotsaka ny orana. Ahiana indray ny fiakaran’ny rano ka manamafy ny fampitandremana efa nataony ny Apipa ny amin’ny tokony hahamailo ny mponina amin’ny faritra iva sy ny manamorona ny renirano

 

. Tokony hitandrina ireo mponina manodidina an’ Antananarivo Renivohitra eny amin’ny faritra iva, Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Antehiroka, ary Talatamaty. Ny maripana voavinavina kosa dia 26°c ny ambony indrindra raha toa ka 16°c ny ambany indrindra.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT