• Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Traboina etsy amin’ny ANS Ampefiloha Notsarovana manokana ireo vehivavy

Mitombo isan’andro ireo traboina etsy amin’ny ANS Ampefiloha amin’izao fotoana izao. Tafakatra 103 isa ireo tokantrano miara-miaina ao misy olona manodidina ny 360 isa. Vokany, mahatsiaro sahirana izy ireo amin’ny fofona sy ny

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Minisiteran’ny raharaham-bahiny Nanampy ireo mpiasa traboina ao aminy

Mahatratra 15 tokantrano amin’izao ireo mpiasan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy no traboina. Monina ao amin’ny ivontoerana misy ny minisitera ihany izy ireo izay hiangonan’ny rano avy eny Anosy sy ny lakandranon’Andriantany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Famatsiana an’Andohatapenaka Vola ohatrinona ary avy aiza ?

Mampizarazara hevitra ireo traboina ny momba ilay fifindrana eny amin’ny famonoan’omby eny Andohatapenaka. Ny zavatra tsy azo lavina kosa anefa dia izay manaiky hifindra eny dia mba azo antoka ny ahazoany anjara

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Beraketa Ahiana ny hisian’ny korontana

Mihantona mihitsy ankehitriny ny tsenan’omby any Beraketa noho ny firaisankinan’ireo patrôn’omby rehetra any an-toerana tsy faly noho ny toe-draharaha nahafaty ny namany iray tamin’ny herinandro lasa teo. Efa vita ny alahady teo tany Vangaindrano moa ny fandevenana azy izay maty niaraka tamin’ny olona iray hafa noho ny fanafihan-jiolahy nihatra tamin’izy ireo sy nandrobana ny vola 70 tapitrisa ar tany aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Sampandraharahan’ny fananan-tany Raikitra ny fitokonana faobe manerana ny Nosy

Miditra amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasan’ny lafin-tany sy ny fananan-tany manerana ny Nosy nanomboka omaly alatsinainy 9 martsa 2015. Ho an’ny etsy amin’ny foibe etsy Anosy manokana dia nihidy ny vavahady vy ety ivelany ary ny sorabaventy samihafa no hany sisa tazan’ny mpandalo. Rehefa miditra ao anatin’ny faritry ny toerana kosa dia ireo mpiasa mitokona no mitorovaka eo

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.ILAKAKA Telolahy nanolana vehivavy bevohoka 3 volana

Vehivavy 22 taona bevohoka telo volana mipetra-drery no voalaza fa naolana telolahy niditra amboletra tao an-tranony, ny alin’ny sabotsy teo, tany Ilakaka. Ny iray tamin’ireo mpanolana dia sipany taloha izay efa manambady olon-kafa amin’izao. Nanda ny fanosoram-potaka natao azy kosa ireo roalahy, rehefa nofotorana, ary nanizingizina fa tsy niaraka tamin’i N. tamin’io andro io, ary efa herinandro no tsy nifakahitan’izy ireo. Resa-bola sy fialonana

Hamaky ny tohiny
FTT