Mihantona mihitsy ankehitriny ny tsenan’omby any Beraketa noho ny firaisankinan’ireo patrôn’omby rehetra any an-toerana tsy faly noho ny toe-draharaha nahafaty ny namany iray tamin’ny herinandro lasa teo. Efa vita ny alahady teo tany Vangaindrano moa ny fandevenana azy izay maty niaraka tamin’ny olona iray hafa noho ny fanafihan-jiolahy nihatra tamin’izy ireo sy nandrobana ny vola 70 tapitrisa ar tany aminy.
Araka ny fampitam-baovao nalefan’Atoa Pelthin Jaomila, kandidà solombavambahoaka tao Bekily tamin’ny farany teo, dia olona iray no efa voasambotra, roa andro monja taorian’ny fanafihana. Tratra tany amin’io jiolahy io ny ampaham-bola nangalarina sy ny fitafian’ilay maty ary ny basiny. Avy tamin’ity voasambotra ity no nahafahana nisambotra ireo namany telolahy tany Soanala ka nalefa nalaina am-bavany any Beraketa daholo. Fantatra tamin’ny fanadihadiana ilay tratra voalohany fa lelavola 8 hetsy ar tsirairay ny nanakaramana azy efa-dahy ireto ary efa feno 5 izao no tratra satria voasambotra koa ilay mpanakarama. Mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha ankehitriny noho ny hatezeran’ny fianakavian’ilay patron’omby maty amin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana izay voalazan-dry zareo fa mila vaniny amin’ny taratasin’ilay basin’ilay maty indray sady tsy nazava ihany koa ny tonom-bola nolazain-dry zareo fa hita tany amin’ilay voasambotra voalohany fa hoe 3 tapitrisa ar fotsiny izany. Vatan-dehilahy 70 no niainga tany Betroka, araka izany, nihazo an’i Beraketa ka ahiana mihitsy ny hisian’ny savorovoro ao Beraketa ao, hoy Atoa Pelthin Jaomila. Mbola hitombo be mantsy ireo vatan-dehilahy 70, hoy izy, noho ny nahavitan’ny fandevenana ka miantso ny tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.