Miditra amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasan’ny lafin-tany sy ny fananan-tany manerana ny Nosy nanomboka omaly alatsinainy 9 martsa 2015. Ho an’ny etsy amin’ny foibe etsy Anosy manokana dia nihidy ny vavahady vy ety ivelany ary ny sorabaventy samihafa no hany sisa tazan’ny mpandalo. Rehefa miditra ao anatin’ny faritry ny toerana kosa dia ireo mpiasa mitokona no mitorovaka eo
amin’ny tohatra sy “Hall” fidirana ao amin’ny trano lehibe sy ao amin’ny fidirana fiandrasana anaty birao ihany koa. Nandra-paharivan’ny andro omaly dia tsy tapaka nifandray an-telefaonina tamin’ireo namany any amin’ny Faritra mifampita vaovao izy ireo notarihan’ny filohan’ny sendikan’ny Inspektera, Razafindratsimba Vonjy. Ny zavatra efa tapaka tamin’ny fivoriambe nataonay tamin’ny 26 febroary teo izao hampiharina izao, hoy ity mpitarika sendika ity. Ho fanalana ny fangirifirian’ny vahoaka no atao fa tsy fampijaliana azy ireo akory. Tsy hijanona mihitsy ny fitokonana raha tsy azo ny fandresena, hoy Atoa Vonjy. Ny fitakiana voalohany ataonay ny fametrahana ny politikan’ny fananan-tany vaovao ka atao hifampidinihana alohan’ny amoahana azy. Mahatsiaro atao an-kilabao mantsy izahay ankehitriny. Ny fitakianay faharoa dia ny fampiatoana tanteraka ny didy tsy fahazoana mivarotra tanim-panjakana natao tamin’ny 2014. Nesorina tamin’ny ampahany mantsy izy io tamin’ny janoary 2015 ka ny Malagasy no hany sisa tsy mahazo maka tanim-panjakana fa ny mpampiasa vola avy any ivelany dia nahazo nisitraka izany. Tsy maintsy ny mifanandrify amin’ny tombontsoam-bahoaka no katsahina, hoy ny feo heno tetsy Anosy omaly, ary tsy nasiana mihitsy ny “service minimum” mba hahaingana ny fijeren’ny fanjakana ny olana.
Ntsoavina Evariste
SARY : Nobahanan’ireo mpiasa ny lalana miditra ao amin’ny biraon-dry zareo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.