Actualités

ILAKAKA Telolahy nanolana vehivavy bevohoka 3 volana


  • Talata 10 Martsa 2015

Vehivavy 22 taona bevohoka telo volana mipetra-drery no voalaza fa naolana telolahy niditra amboletra tao an-tranony, ny alin’ny sabotsy teo, tany Ilakaka. Ny iray tamin’ireo mpanolana dia sipany taloha izay efa manambady olon-kafa amin’izao. Nanda ny fanosoram-potaka natao azy kosa ireo roalahy, rehefa nofotorana, ary nanizingizina fa tsy niaraka tamin’i N. tamin’io andro io, ary efa herinandro no tsy nifakahitan’izy ireo. Resa-bola sy fialonana

 

Mifamahofaho be ihany ny vaovao voaray. Rehefa nozohina ny tantara dia resa-bola sy fialonana vokatry ny hasarotam-piaro no fototry ny olana. Te-hampisaraka an’i N. mivady ny tanjon’ity tovovavy ity izay mbola tia azy. Nampanantsoiny tany an-tranony i N. nangatahany vola mba hanalany ny zaza ao an-kibony any Ihosy, izay zanak’ilay tovovavy amina teratany vahiny iray mpividy safira any an-toerana. Tsy nanam-bola anefa i N. tamin’io sabotsy io, fa vao avy nividy entana. Nony naraina ny andro nilaza tamin’ny namany ilay tovovavy fa voaolana, ary nanamparan’i N. sy ny namany ny filan-dratsiny, ka vetivety dia niely ny vaovao.

 Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT