Mampizarazara hevitra ireo traboina ny momba ilay fifindrana eny amin’ny famonoan’omby eny Andohatapenaka. Ny zavatra tsy azo lavina kosa anefa dia izay manaiky hifindra eny dia mba azo antoka ny ahazoany anjara
fanampiana avy amin’ny fanjakana Malagasy. Hatramin’izay mantsy dia izay be sandry ihany no matetika mahazo sy manjakazaka raha tsy ny avy ao amin’ny Fonkotany no manodinkodina. Nasiana jiro sy rano eny an-toerana ary vatsiana sakafo an-taonina maro ihany koa. Ny manitikitika ny saina dia hoe vola avy taiza no amatsiana ireto traboina ireto ary mandrapahoviana ? hatontona ao ve ilay iray miliara Ariary navoakan’ny governemanta hotantanan’ny Bngrc sa famatsiam-bola hafa ? Iaraha-mahita mantsy ny mbola fihenahenan’ny firenena vahiny manampy antsika. Raha ny Bngrc no mamatsy ireo traboina eny Andohatapenaka, mety ho fantatra ve ny totalim-bola natokana ho an’io tetikasa io ? Tsy hoe tsy fahatokisana ny mpitondra fa araka ny nambaran’ny praiminisitra dia hatao mangarahara sy mazava avokoa ny fitantanana eto amintsika. Miandry ny vahoaka !
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.