Mitombo isan’andro ireo traboina etsy amin’ny ANS Ampefiloha amin’izao fotoana izao. Tafakatra 103 isa ireo tokantrano miara-miaina ao misy olona manodidina ny 360 isa. Vokany, mahatsiaro sahirana izy ireo amin’ny fofona sy ny
fiparitahan’ireo karazan’aretina samihafa. Tsy vitsy amin’ireo traboina mantsy no voan’ny tazo, mikohoka, marary kibo aretina tsy voafehy ary mifindrafindra hatrany. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao Manarintsoa Atsinanana Rasoarinoro Aimée Clarisse izay tompon’andraikitra ao amin’ny faritra misy azy ireo dia ny mponin’i La réunion kely no tena betsaka amin’izy ireo. Ankoatra ireto farany dia tsy vitsy ihany koa ireo rava trano avy any amin’ny faritra sasany ka tsy maintsy nampiantranoana ao. Hatreto dia miaina amin’ny asa an-tselika hitany izy ireo na misy fanampiana na tsia. Tonga nanolotra sakafo masaka mafana sy fitafiana ho an’ny vehivavy traboina rehetra ao amin’ity ivontoerana ity ny mpiasan’ny ANS Ampefiloha sy ny fikambanan’ny tranoben’ny varotra ny alahady lasa teo, hetsika izay nifanandrify indrindra tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Natomboka tamin’ny fotoam-bavaka ny fotoana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.