• Alakamisy 12 Martsa 2015
Actualités.Tonelina Ambanidia Hakatona vonjimaika amin’ny zoma 20 martsa

Hanomboka amin’ny alatsinainy izao ny asa fanamboarana ny tonelina Ambanidia, hoy ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka, ary haharitra roa volana ny asa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Martsa 2015
Actualités.Zotra nasionaly mihazo an’Alaotra Lasa 25 000 Ar ny saran-dalana

Vokatry ny haratsian-dalana izay miteraka fahasimbana betsaka eo amin’ny fiara fitaterana dia nandray fanapahan-kevitra nampiakatra ny saran-dalany ireo zotra nasionaly mampitohy an’Alaotra amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Nihatra nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity io saran-dalana vaovao io.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Actualités.Faritany Mpanazava sy Tily Analamanga Atsimo Nanolo-tanana ho an’ireo mpikambana traboina.

Mahafinaritra ! Izay no azo amehezana ny hetsika nataon’ny Faritany Mpanazava sy Tily Analamanga Atsimo, ny sabotsy farany teo. An-jatony mahery ireo mpikambana teto anivon’ny faritany no traboina noho ny tondra-drano. S

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Actualités.Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena Mpiasan’ny fadin-tseranana, polisy am-polony no miatrika fiofanana

Mpiasan’ny fadin-tseranana miampy polisy sy tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny am-polony no miatrika fiofanana momba ny fanaraha-maso ifotony amin’ireo karazan’entana sy harem-pirenena mivoaka sy miditra eto amintsika nanomboka omaly. Haharitra efatra andro izany, hiarahana amina m piasan’ny fadin-tseranana iray avy any Londres izay efa be traikefa tokoa

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Actualités.Antokotanitsara Anosizato

Lehilahy iray no nalentiky ny lakana omaly maraina teny Antokotanitsara Anosizato Andrefana. Nandeha niampita lakana izy no nivadika tampoka. Efa nanao ny famonjena rehetra ny mponina manodidina niaraka tamin’ny mpamonjy voina fa tsy mbola hita ilay rangahy. Raha ny filazan’ny olona dia ny lakandrano tototry ny fako sy ny tsikafona ary ny fasika no mahatonga ny rano miakatra.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Martsa 2015
Actualités.Ady tany eny Antanandrano Tsy manaiky resy ny Telma

Tantara mitohy ny an’ny orinasa Telma sy ny an’ny tarana-dRazafimahefa sy Razafitsara Victoire, mpandova ny tany 30 ha etsy Antanandrano. Ery ambanin’Ambohitrarahaba, kaominin’Ankadikely Ilafy io toerana io.

Hamaky ny tohiny
FTT