Tantara mitohy ny an’ny orinasa Telma sy ny an’ny tarana-dRazafimahefa sy Razafitsara Victoire, mpandova ny tany 30 ha etsy Antanandrano. Ery ambanin’Ambohitrarahaba, kaominin’Ankadikely Ilafy io toerana io.
Rehefa niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny 13 taona ny roa tonta dia resy ny orinasa Telma izay an’Atoa Hassanein Hiridjee. Didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana an-tampony ny 14 desambra 2012, laharana faha-16. Efa nahazo ny taratasy fanamarinana teny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany ireo taranaky ny mpandova izay efa mahatratra zato mahery. Ny faramparan’ny taona 2014 teo anefa dia nangataka ny hanalana amin’ny tompony ny tany atoa Hassanein Hiridjee ary dia nahazo rariny teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Nitaraina teny amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ireo mpandova ka nanoratra taratasy teny amin’ny Primatiora ny minisitry ny fanajariana ny tany nanazava ny toe-draharaha fa namaly atoa Praminisitra tamin’izany fotoana, Kolo Roger fa an’ny Telma ny tany.
Mahatsiaro ho very zo ireto mpandova ireto ka hiantso vonjy any amin’ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra amin’izao fotoana.
Mahagaga fa raharaha iray ihany efa namoahan’ny fitsarana an-tampny didy dia mbola averina tsaraina eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray, hoy ny mpandova. Mahatalanjona azy ireo ihany koa ny antony nahazoan’ity teratany vahiny ity hangataka ny hanalana amin’ny Malagasy ny taniny kanefa tsy misy taratasy na dia iray aza any aminy araka ny filazan’ireo mpandova manambara fa an’ny Telma ny tany. “ Raha nanana na tapa-taratasy iray fotsiny io tany vahiny io manambara fa azy ny tany dia efa ela izahay no resy”, hoy hatrany ilay mpitondra tenin’ny mpandova. Mba ho fanehoana firaisankina amin’ny samy Malagasy amin’ny fiarovana ny tanindrazana moa dia fantatra fa efa misy sonia an’arivony voangon’ireto mpandova ireto ho fanohanana azy ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.