Mahafinaritra ! Izay no azo amehezana ny hetsika nataon’ny Faritany Mpanazava sy Tily Analamanga Atsimo, ny sabotsy farany teo. An-jatony mahery ireo mpikambana teto anivon’ny faritany no traboina noho ny tondra-drano. S
Mahafinaritra ! Izay no azo amehezana ny hetsika nataon’ny Faritany Mpanazava sy Tily Analamanga Atsimo, ny sabotsy farany teo. An-jatony mahery ireo mpikambana teto anivon’ny faritany no traboina noho ny tondra-drano. Singanina manokana amin’izany Ankadivoribe, Ambohitsoa, Soavina ary Anosizato Andrefana. Tsy nijery fotsiny izany anefa izy ireo fa tonga nandray ny andraikiny. Namangy, nampahery ary nitondra fanomezana toy ny vary, savony, labozia ary fitafiana. Izany no vita dia noho ny fandraisan’anjaran’ireo beazina rehetra izay nitondra izay voatsirambin’ny tanany. Nisy ihany koa ny fanomezana izay natolotry ny mpanohana, ny Société Dany Gemston, izay isaorana manokana amin’ny fanohanany ny fikambanana. Iriana hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’izy ireo. Voaporofo nandritra ny hetsika fa miray hina, mifankatia ary havan’ny olon-drehetra tokoa ny Tily, araka ny lalànany.
Rinahsoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.