• Alatsinainy 16 Martsa 2015
Actualités.Vatobe eny Avaratr’Ankatso Hapoaka anio misandratr’andro

Raikitra izany fa dia hapoaka anio misandratr’andro ilay vatobe mandondona ambara fa mety hampidi-doza ny mponina eny Avaratr’Ankatso. Efa voapetrapetraka avokoa ny fitaovan’ny orinasa Colas nanankinan’ny fanjakana ny fanapoahana azy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Martsa 2015
Actualités.Mitokona ny “Trésor” Ho tara ny karama ?

Toherin’ireo mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana na « Trésor » marindrano ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Ho fitakiana ny famerenana an’Atoa Robimanana Orlando, tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana amin’ny toerany, ary dia nanao fitokonana faobe ny mpiasa rehetra eran’i Madagasikara. Nanomboka omaly io fitokonana io ary tsy mbola fantatra izay hitsaharany Ho tara ny karama ?

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Martsa 2015
Actualités.VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Miteraka tsy manambady na mijanona tsy manambady ny 90 %

Miteraka tsy manambady na mijanona tsy manambady ny 90 %-n’ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny AFHAM na ny “Association de femmes handicapées de Madagascar” tamin’ny taona 2011. Antony mahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny filohan’ity

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Martsa 2015
Actualités.AVARATR’ANKATSO Fianakaviana 74 tafo indray no nalana tamin’ny tranony

Taorian’ireo fianakaviana miisa 43 tafo monina eny Avaratr’Ankatso, toerana manakaiky ilay vatobe tsy maintsy hapoaka dia fianakaviana 74 tafo indray omaly no tsy maintsy nalana tamin’ny trano fonenany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Martsa 2015
Actualités.Voina eto Madagasikara I Fatma Samoura mihitsy no miantso vonjy

Nampiaka-peo ramatoa Fatma Samoura solontenan’ny firenena mikambana eto Madagasikara nony farany. Mba kivy toy ny maro amin’ny fihetsiky ny firenena vahiny izay tsy miraharaha ny antso vonjy ataon’ny fitondram-panajakana ankehitriny manoloana ny fahavoazan’i Madagasikara koa angamba ity

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 13 Martsa 2015
Actualités.Fisamborana an’i Marc Tatandraza Nitarika korontana tao Mahajanga

Tora-bato nifanesy narahina horakoraka no niseho nandritra ny fotoana nisamborana ny Apostoly Marc Tatandraza sy ny mpiara-dia aminy tao amin’ny fokontany Antanimasaja toerana misy ny fiangonana tarihiny. Ny maraina dia efa feno olona ny manodidina ny trano misy an’io fiangonana io ka tao ireo

Hamaky ny tohiny
FTT