Actualités

AVARATR’ANKATSO Fianakaviana 74 tafo indray no nalana tamin’ny tranony


  • Zoma 13 Martsa 2015

Taorian’ireo fianakaviana miisa 43 tafo monina eny Avaratr’Ankatso, toerana manakaiky ilay vatobe tsy maintsy hapoaka dia fianakaviana 74 tafo indray omaly no tsy maintsy nalana tamin’ny trano fonenany.

 

 Nisy tamin’izy ireo no niala tamin’ny nahim-pony, raha araka ny fanazavana azo, raha nisy koa ireo mbola nanda ihany saingy tsy maintsy niala. Tsy vitsy ireo lasa nifindra monina any amin’ny havany na namany akaiky raha nisy koa ireo namonjy ny  fast food etsy Ankatso II, toerana hanatobiana azy ireo vonjimaika. Raha araka ny fanazavana azo hatrany dia feno ilay 117 tafo misy ireo fianakaviana monina amin’ny toerana sarotra ahiana amin’ny asa fanapoahana ilay vato. Ny manodidina sisa no mbola mipetraka amin’ny tranony  izay  efa lavidavitra avokoa. Omaly no nanao ny fijerena farany ny fanatanterahana ny asa ireo teknisianina eo anivon’ny orinasa COLAS raha ny alahady ho avy izao kosa no hotanterahina ny asa.  Tsiahivina moa  fa efa ho 10 andro izao no nanaovan’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny fanentanana ireo mponina eny Avaratr’Ankatso ny amin’ny tsy maintsy  hialan’izy ireo  amin’ny trano fonenany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT