Actualités

Voina eto Madagasikara I Fatma Samoura mihitsy no miantso vonjy


  • Zoma 13 Martsa 2015

Nampiaka-peo ramatoa Fatma Samoura solontenan’ny firenena mikambana eto Madagasikara nony farany. Mba kivy toy ny maro amin’ny fihetsiky ny firenena vahiny izay tsy miraharaha ny antso vonjy ataon’ny fitondram-panajakana ankehitriny manoloana ny fahavoazan’i Madagasikara koa angamba ity

 solontenan’ny firenena mikambana eto Madagasikara ity ka nanao antso avo tao amin’ny Radio France International omaly maraina. Miantso ireo fianakaviambe iraisam-pirenena ramatoa Fatma Samoura mba hanampy ny firenena Malagasy. Araka ny fanambarany dia mahatratra 200.000 no isan’ny traboina noho ny rivodoza, ny vokatry ny fiakaran’ny rano ary ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Ankoatr’izay dia ankizy tsy latsaky ny 40.000 no tsy ampy sakafo. Tsy vitan’ny fanjakana Malagasy intsony ny famonjena ireo traboina ireo, hoy ity solontenan’ny firenena mikambana ity.  Nambaran-dramatoa Fatma Samoura fa mila 7.000.000 dolara i Madagasikara hiatrehana izao fahavoazana izao. Dia andrasana indray izay mety ho fihetsiky ny firenen-dehibe manolona ity antso vonjy nataon’ny solontenan’ny firenena mikambana eto amintsika ity raha tena hanampy araka izay tratry ny heriny ireo firenena vahiny ireo na hanao fihetsika feno fihatsarambelatsihy fotsiny ihany ka zara raha manome. Efa nanao angoatenda mihitsy mantsy ny fitondrana Malagasy tamin’ny fiantsoana vonjy amin’izao voina mahazao izao fa zara raha misy namaly. Ankoatra an’i Japana sy Komoro  dia ny masoivoho sinoa no mba nanao fihetsika ara-pahalalam-pomba.

Manaraka izany dia nanentana ny mpitondra fanjakana Malagasy ihany koa ity solontenan’ny Firenena mikambana ity mba hanao izay tena asa ilaina maika fa tsy ho variana amin’ny zavatra hafa mba ho fanavotana ireo vahoaka traboina.


Andry Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT