Actualités

Vatobe eny Avaratr’Ankatso Hapoaka anio misandratr’andro


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Raikitra izany fa dia hapoaka anio misandratr’andro ilay vatobe mandondona ambara fa mety hampidi-doza ny mponina eny Avaratr’Ankatso. Efa voapetrapetraka avokoa ny fitaovan’ny orinasa Colas nanankinan’ny fanjakana ny fanapoahana azy.

 

 Vao maraina dia efa voatemitry ny mpitandro ny filaminana tsy azo idirana sy ivezivezena ny faritra 500 metatra manodidina ny toerana misy ilay vatobe, ary efa hanomboka anio vao mangiran-dratsy ihany ny fanalana tamin’ny toeram-ponenany ireo fianakaviana niandry ny ora farany hanapoahana ny vato vao tapa-kevitra ny hiala, araka fanamafisana nataon’ny jeneraly Rambolarison Charles, lefitry ny Tale mpanatanteraky ny Bngrc. Lalana maromaro eny manodidina no ho tapaka tsy azo hifamezivezen’ny fiara anio. Tsy hianatra ny mpianatra amin’ny sekoly rehetra tafiditra amin’io faritra 500 metatra io. Hiato ihany koa ny fampianarana eny Ankatso anio tontolo andro sy amin’ireo sekoly rehetra manodidina. Nanamafy izany ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Panja Rapanoelina araka ny tapaka nandritra ny fivoriana teny an-toerana niarahan’ny avy amin’ny primatiora, Bngrc, mpitandro ny filaminana, minisiteram-panjakana misahana ny fanajariana ny tany.



Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT