Miteraka tsy manambady na mijanona tsy manambady ny 90 %-n’ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny AFHAM na ny “Association de femmes handicapées de Madagascar” tamin’ny taona 2011. Antony mahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny filohan’ity
fikambanana ity Razafinjato Fela ny tsy fahampian’ny fitiavana raisin’ireo vehivavy manana fahasembanana ka mahatonga azy hiantsampy amin’ny olona mandalo. Vahaolana aroson’ny AFHAM ho an’ireo mpikambana ao aminy ny fanomezana fiofanana azy ireny mikasika ny “developpement personnel” mba hananany fahatokisan-tena ankoatra ny fanohanana ara-bola ireo karazana tetikasa madinika tanterahiny. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy ny fikambanana omaly. Tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely no nanatanterahan’izy ireo izany izay narahin’ny fampisehoana ireo asa tanan’ny vehivavy manana fahasembanana mivondrona ao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.