Toherin’ireo mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana na « Trésor » marindrano ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Ho fitakiana ny famerenana an’Atoa Robimanana Orlando, tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana amin’ny toerany, ary dia nanao fitokonana faobe ny mpiasa rehetra eran’i Madagasikara. Nanomboka omaly io fitokonana io ary tsy mbola fantatra izay hitsaharany
Ho tara ny karama ?
Nikatona tanteraka ny biraon’ny trésor na dia tonga teny an-toerana avokoa ireo mpiasa. Tsy hiverina hiasa ireo mpiasan’ny trésor ireo raha tsy miverina amin’ny toerany ity tale jeneraly nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra ity. Izy irery ihany, hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasa avy ao amin’ny sendika, no azo antoka amin’ny fiarovana ny volam-panjakana manoloana ny rapa-dango sy ny tantely afa-drakotra tian’ny mpitondra fanjakana hatao. Nandray fanapahan-kevitra ireto mpiasa ireto fa tsy hiverina hiasa mihitsy raha miverina amin’ny toerany i Orlando Robimanana. Nilaza izy ireo fa “tsy misy service minimum na dia kely aza”. Avy eo anefa re indray fa mety hisy ihany ny « service minimum » na mpiasa vitsy dia vitsy no handoa ny karaman’ireo mpiasam-panjakana. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy hisy akony amin’ny fandoavana ny vola fisotroan-dronono sy ny karaman’ny fonksionera ity fitokonana ity.
Nahavita be
Fomba fiasa fa tsy olon no arovanay hoy ny mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana satria ho azy ireo dia tena nahavita be tokoa i Robimanana Orlando izay nitondra fiovana nandritra ny 6 taona.Izy no sahy nijoro sy namaky bantsilana ny fikasana hamoka ny volam-panjakna nandritra ny andron’ny tetezamita, nahitsy fitenenana ihany koa izy manoloana ny gaboraraka min’ny resaka fitantnana teo nivon’ny Jirama.Samy manana ny fandraisany ity fitokonan’ny mpaisan’ny tahirim-bolam-panjakana ity moa ny tsirairay fa dia andrasana izay mety ho fihetsiky ny fanjakana , indrindra fa taorian’ny fanambaran’ny minisitry ny vola sy ny tetibola Rakotoarimanana Gervais omaly nanao hoe: “zon’ny mpiasa ny mitokona fa tsy azo ekena kosa ny fanakatonana ny sampandraharahan’ny tahirim-bolam-panjakana, ary dia tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisina momba izany”
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.