Actualités

Fisamborana an’i Marc Tatandraza Nitarika korontana tao Mahajanga


  • Zoma 13 Martsa 2015

Tora-bato nifanesy narahina horakoraka no niseho nandritra ny fotoana nisamborana ny Apostoly Marc Tatandraza sy ny mpiara-dia aminy tao amin’ny fokontany Antanimasaja toerana misy ny fiangonana tarihiny. Ny maraina dia efa feno olona ny manodidina ny trano misy an’io fiangonana io ka tao ireo

 

fianakaviana haka ny havany izay mivavaka miaraka amin’ity apostoly mpisokoly ity. Tsy nanaiky anefa ny mpino ao amin’ity fiangonana ity ka raikitra ny tora-bato. Voatery namaly ny fokonolona ka maro ireo naratra. Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha saingy mbola namaly toraka hatrany ireo delegasion’i Marc Tatandraza. Tsy maintsy hosamborina ity farany araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana tao Mahajanga. Naharitra adiny efatra teo ny fiandrasana ny taratasy avy amin’ny fitsarana ahafahana miditra maka ity Apostoly ity. I Maitre Sanga sy ireo telo lahy izay anisan’ireo delegasiona mafana fo niaraka tamin’i Tatandraza ka nosamborina voalohany. Niezaka nanafina ity mpitondra fivavahana ity hatrany ireo mpino saingy tsy maintsy niditra ny trano nisava ny mpitandro ny filaminana. Tao ambany latabatra ity farany no niafina. Voasambotra ihany ny apostoly ka nentina notazonina teny amin’ny biraon’ny polisy teny Mangarivotra. Raha ny tsikaritra dia tsy tompon’ny tenany intsony ireo mpino mpivavaka tao satria dia efa tsy mahatsiaro ny havany intsony izy ireo rehefa tafiditra tao. Fantatra koa fa mialoha ny hivavaka ao amin’ity fiangonana ity dia tsy maintsy mamaritra ny fananany ny olona iray vao afaka miditra ho mpikambana. Ny vola azo dia omena an’ity apostoly ity mba ataony sorona ho an’andriamaniny. Tranga nahagaga ny maro tokoa ity raharahan’i Maitre Sanga sy Marc Tatandraza ity satria dia efa maro ireo olona manaraka azy ireo no tsy tafaverina amin’ny fianakaviany intsony. Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana malagasy mikasika ity raharaha ity ao Mahajanga satria dia manakarontana saim-bahoaka ny zavatra tahak’izao.

 

Tolin

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT