• Alarobia 18 Martsa 2015
Actualités.Ambatondrazaka Sarona ireo mpanapaka tetezana

Taorian’ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy manimba ny tetezana tao Sahabe, olona dimy hatreto no sarona tamin’ny fanendahana sy ny fangalarana vy amin’ny tetezana. Nitondra faisana ny ankamaroan’ny tetezana vita amin’ny vy, indrindra ny tao amin’ny RN3A dia ny tetezan’i Sahabe Bejofo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Martsa 2015
Actualités.Ilakaka Tovovavy 22 taona naolana telolahy, namono tena

Raha ny loharanom-baovao voaray omaly maraina, dia namono tena nitelina fanafody maromaro, afak’omaly hariva, noho ny famoizam-po, ilay tovovavy 22 taona bevohoka telo volana voalaza fa naolana telolahy, ny alin’ny 7 martsa teo, tany Ilakaka.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Martsa 2015
Actualités.Vehivavy teraka an-dalana Maty ny zanany, izy marary mafy miady amin’ny fahafatesana

Mbola mibahan-toerana loatra amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny ny fomban-tany, ka mbola vitsy noho izany ireo vehivavy bevohoka manana olona ara-pahasalamana na fananahana no mamonjy tobim-pahasalamana sy mpampivelona, fa manatona mpitsabo nentin-drazana, ary mitanika ravin-kazo na fakan-kazo.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 18 Martsa 2015
Actualités.Vono olona mahatsiravina Notetitetehana i Mahita, nomena alika ny fatiny

hatolotra ny fitsarana anio ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisy tany amin’ny fokontany Miringa, kaominina ambanivohitr’i Beheloka, 80 km atsimon’i Toliara izay namono an’i Mahita tamin’ny fomba feno habibiana, ny antoandron’ny 22 novambra 2014,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Martsa 2015
Actualités.Distrikan’i Sakaraha Misy aretina hafahafa efa nahafaty zaza 20 mahery

Zaza miisa 20 hatreto no efa namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Sakaraha vokatr’ilay aretina hafahafa izay manjaka any an-toerana. Ao amin’ny kaominina

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2015
Actualités.Marc Ravalomanana Namela ny helok’ireo namadika azy !

Tsy tongatonga ho azy ilay fivoriamben’ny Tiako I Madagasikara teny Faravohitra ny sabotsy 28 febroary lasa teo, izay nahitana ireo olom-boafidy sy olom-boatendrin’ity antoko noforonin’Atoa Marc Ravalomanana ity. Tsy maintsy mampivondrona ny hery isika, mamerina ny fifampatokisana. Izay no ambetin-dresaka teny. Re ary izao fa dia miasa mafy miezaka ny hamerina ireo mpiara-dia taminy hatrizay Atoa Ravalomanana ho fanatanterahana io resaka teny Faravohitra io. Efa namela ny helok’ireo TIM na iza izy na iza nosokajiana fa mpamadika palitao sy namadika azy ny filoha Marc Ravalomanana, raha araka ny fantatra.

Hamaky ny tohiny
FTT