Tsy tongatonga ho azy ilay fivoriamben’ny Tiako I Madagasikara teny Faravohitra ny sabotsy 28 febroary lasa teo, izay nahitana ireo olom-boafidy sy olom-boatendrin’ity antoko noforonin’Atoa Marc Ravalomanana ity. Tsy maintsy mampivondrona ny hery isika, mamerina ny fifampatokisana. Izay no ambetin-dresaka teny. Re ary izao fa dia miasa mafy miezaka ny hamerina ireo mpiara-dia taminy hatrizay Atoa Ravalomanana ho fanatanterahana io resaka teny Faravohitra io. Efa namela ny helok’ireo TIM na iza izy na iza nosokajiana fa mpamadika palitao sy namadika azy ny filoha Marc Ravalomanana, raha araka ny fantatra.
Iza avy ireo namadika ?
Mety maro ireo olona ireo saingy ny tena fantatry ny olona eo amin’ny sehatra politika aloha dia Atoa isany Raharinaivo Andrianatoandro, efa filoha nasionalin’ny TIM ary lasa filohan’ny kongresin’ny tetezamita, eo ihany koa i Yves Aimé Rakotoarison solombavambahoaka TIM tany Tolagnaro lasa niara-dia tamin’ireo fahavalo politikan’i Marc Ravalomanana, ao ihany koa i Hery Raharisaina, mpitari-tolona mafana fo teny amin’ny Magro kanefa dia niditra tao anatin’ny governemanta nandritra ny tetezamita ary tsy hita intsony tamin’ny fitakiana ny fiverenan’i Dada avy eo. Voasokajy fa TIM mpamadika palitao koa i Riana Andriamandavy VII – filohan’ny Tanora TIM, minisitry ny fizahantany faha tetezamita, ary ankehitriny dia lasa filohan’ny faritra Matsiatra ambony, voatondro fa miara-dia amin’ny HVM indray izy. Eo ihany koa i Dr Emile Ratefinanahary, anisan’ny mafana fo teo anivon’ny Tanora TIM sy ny TIM tany am-pitandranomasina kanefa dia lasa mpikambana CST ao anatin’ny lisitra natolotr’i Andry Rajoelina nandritra ny tetezamita.
Efa lasa ny zavatra taloha
Vitsivitsy ihany ireo fa mety mbola misy ny TIM mpamadika palitao any rehetra any nandritra izay enin-taona izay. Efa lasa anefa ny zavatra taloha ary araka ny nambara teo dia efa namela ny helok’ireo niova lasy i Marc Ravalomanana ary miantso azy ireo hanatevin-daharana indray ny fianakaviamben’ny Tiako I Madagasikara, izay mbola vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ihany koa ny TIM. Ny lasa efa tsy azo iverenana intsony fa mila atrehana kosa ny anio ary tsy maintsy banjinina ny hoavy. Anisan’ny foto-kevitra ijoroan’i Marc Ravalomanana izany ka mahatonga azy mikaroka ny hevitra rehetra hampatanjaka indray ny antoko noforoniny mba hiatrehana ny fiainam-pirenena.
Ampihorohoroan’ny HVM
Eo amin’izay dia fantatra fa tena maro amin’ireo kandida TIM no rahonan’ny HVM raha toa ka miverina TIM fa tsy mivadika ho HVM, hany ka lasa misalasala avokoa ireo kandida rehetra. Fihetsika tsy dia mahagaga ihany moa izy ity fa fomban’ny olona tsy mahatoky ny tenany ka tsy manana paik’ady afa-tsy ny fanararaotam-pahefana sy ny fanaovana ramatahora mba hifehezana ny hafa. Antoko goavana ary manana ny maha izy azy anefa ny TIM ka izay no maha zava-dehibe ny tsy maintsy hampivondronana indray ny hery hahafahana miatrika izay tokony hatrehana rehetra, ary mahatonga izao fihetsika feno fahendrena avy amin’Atoa Marc Ravalomanana izao mba hamerenana ao am-bala indray ireo ondry nania.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.