Actualités

Vehivavy teraka an-dalana Maty ny zanany, izy marary mafy miady amin’ny fahafatesana


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Mbola mibahan-toerana loatra amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny ny fomban-tany, ka mbola vitsy noho izany ireo vehivavy bevohoka manana olona ara-pahasalamana na fananahana no mamonjy tobim-pahasalamana sy mpampivelona, fa manatona mpitsabo nentin-drazana, ary mitanika ravin-kazo na fakan-kazo.

 

 Manginy fotsiny ireo manao dokotera tena mitelina fanafody hita etsy sy eroa. Mitombo isa hatrany vokatr’izany ireo maty am-piterahana. Raha ny vaovao voaray farany, dia marary mafy amin’izao (misy ahitra tavela tao an-kibony) ary miady amin’ny fahafatesana ilay tovovavy behovoka teraka tampoka teny an-dalana, ny herinandro iny, tany Toliara. Tsiahivina fa fotoana fohy taorian’ny niterahany an’io zanany io dia namoy ny ainy ilay zaza.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT