Zaza miisa 20 hatreto no efa namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Sakaraha vokatr’ilay aretina hafahafa izay manjaka any an-toerana. Ao amin’ny kaominina
ambanivohitra Mahaboboka no tena hanjakany, hoy i Jean Méthode Albert, mponina any an-toerana. Nanomboka ny volana janoary lasa teo no nitrangan’ny aretina. Mahamay be ilay zaza, mihamangovitra ny tanany ary tsy maharitra roa andro dia mamoy ny ainy. Ireo ankizy latsaky ny 12 taona no lasibatra ary iray volana no zandriny indrindra. Tsy misy mpitsabo anefa any amin’ity kaominina ity. Vokany, lasa manaotao foana ireo ray aman-dreny ka mitsabo ny zanany amin’ny alalan’ireo fomba amam-panao isan-karazany. Tsy mahafaka ny aretina anefa izany fa vao mainka mamono aza. « Fanompoa » moa no fiantson’ireo mponina any an-toerana ity aretina hafahafa ity. Efa nisy ireo zaza efatra nalefa notsaboina tany Toliara ary sitrana soa aman-tsara avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.