Actualités

Vono olona mahatsiravina Notetitetehana i Mahita, nomena alika ny fatiny


  • Alarobia 18 Martsa 2015

hatolotra ny fitsarana anio ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisy tany amin’ny fokontany Miringa, kaominina ambanivohitr’i Beheloka, 80 km atsimon’i Toliara izay namono an’i Mahita tamin’ny fomba feno habibiana, ny antoandron’ny 22 novambra 2014,

 rehefa avy niasa handeha hody ity raim-pianakaviana 37 taona, manan-janaka dimy. 46 andro taty aorian’ny nikarohana azy (18 janoary) vao hita ny ampahany tamin’ny razana voatetika sy ny taolam-balony sisa tsy lanin’ny alika tany anaty ala. Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ny havan’ny maty taorian’izay. Nanomboka teo ny fikarohana an’ireo olon-dratsy, ary nahitam-bokany izany ny faran’ny volana febroary teo. Ny iray tamin’ireo mpamono olona no tratra. Ity farany avy eo no nanondro ny namany ary notsiponin’ny polisy tsirairay avy ireo nahavanon-doza, nandritra ny 15 andro. Ny sabotsy tolakandro teo, tamin’ny 2 ora no tonga tao Toliara ireo nahavanon-doza natao famotorana lalina, ary atolotra ny fampanoavana anio, hoy Kaomisera Marinjaka Vavintafika Vololonandro (chef PJ), nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly antoandro, tany Toliara. Halatra osy iray (osin’ny maty) no fototry ny olana namonoana tamin’ny fomba mamohehatra an’ity raim-pianakaviana ity. Nokapaina tamin’ny famaky ny lohany, avy eo notombohina lefona, ka rehefa maty dia notetehina tamin’ny sabatra ary nomena hohanin’ny alika ny razana.

Eric R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT